Famaranana:
Mgr Didona: Maty namela mamy”
“NAMAFY voa-tsara tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny oham-pitondran-tena
nasehony izy.
NANONDRAKA izany tamin’ny jaly sy ny sedra maro niainany ary MITAHY antsika
ankehitriny amin’ny vavaka sy ny...
More
Famaranana:
Mgr Didona: Maty namela mamy”
“NAMAFY voa-tsara tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly sy ny oham-pitondran-tena
nasehony izy.
NANONDRAKA izany tamin’ny jaly sy ny sedra maro niainany ary MITAHY antsika
ankehitriny amin’ny vavaka sy ny fahasoavana angatahina amin’ny alalany”
Noho ny vavaka sy fitalahoana ataony andro aman’alina eo anatrehan’ny trinite Masina dia
maro tokoa ireo olona efa nandray fahasoavana sy fanasitranana tamin’ny areti-mandoza isankarazany ary narovany tamin’ny fisedrana isan-karazany.
Mbola ivelomana eo anivon’ny Diosezy
maro manerana an’i Italia fa indrindra moa ny Diosezin’i Andria ny rafitra Pastoraly, ny
fampianarana ara-pinoana sy ara-tsosialy, ary ny harem-panahy navelany.
Ho an’i Madagasikara manokana dia azo lazaina fa fahagagana lehibe no tanterahiny
isan’andro mampitsimoka ao am-pon’ny tanora ary mbola miantso hatrany solofo sy dimby
hanatevin-daharana ireo Pretra sy Relijiozy Trinitera.
Tsy ho ela dia ankalaza ny faha 85 taona
nahatongavan
Less